<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.C.H. Rinck</author>
<hymn_number>791</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tonga ny hariva,
 Ka ny aizina
 Efa mba madiva
 Ho mpanarona.

[V2]
 Jeso ô, tsinjovy
 Ka tahio izahay,
 Eny, mba arovy
 Handry fahizay !

[V3]
 Maniraha anjely
 Mba hiambina
 Ahy zazakely
 Raha maizina.

[V4]
 Ary raha maraina
 Mba fohazy indray
 Ho madio sy tsara
 Eo imasonao.</lyrics>
<title>Tonga ny hariva FFPM791</title>
</song>